Nofinofy

Ziva (Tarika Ziv)

Nofinofy


Efa ela ihany izay
Nifankafantaranay
Isaky ny tafahaona,
Mifampisangy foana
Raha misy manjo
Na ratsy na ny soa
Hiarahanay mizara avokoa


Toy ny mpianadahy
No nandraisany ahy
Nefa taty aoriana
Tsy mora ny hangina
Satria tsy haiko
Ny mpampandry ny saiko
Hoe mpinamana ihany
Tsy misy ankoatr’izany


Fiverenana:
Tena tia be azy aho
Fa nafeniko hatr’izao
Dia nataoko an-tsokosoko
Ilay ventsom-poko
Izy anefa tsy miraika
Izaho kosa toa vao maika
Babo manontolo
Ny foko efa tsara… kolo


Saingy nofinofy ihany
Izany rehetra izany
Efa hatry ny ela be
Izy no voafehy
Satria ny fony
Tsy ho ahy intsony
F’efa manan’olontiana
Tsy foiny ho ariana


Fiverenana:


·