Nofiko.

Voice For Light

Nofiko.


Raha sendra nandalo toerana iray aho
Dia nahita ny fahazavana
Kanjo nisy zavatra niseho
Tampoka teo aho tsy nahaloa-peo
Nibaliaka ny manodidina ahy
Feno tontolo ny hazavana
Avy eo aho noentin’ny Ray
Tany amin’ny fiainana mandrakizay.


Refrain:
Tonga soa teo amin’ny vavahadin’ny lanitra aho
Tsy nanenenako ‘reo fanompoana Anao
Fa nitondra zava-tsoa teo amin’ny fiainako ry Ray Tsitoha
Ka dia faly aho manana Anao
Tsy mba nanary ahy
Na dia teo ireo fahotana vitako taminao


Ka dieny izao faingàna ianao
Fa mbola misy toerana anjaranao,
Aza variana mangataka andro eo foana
Sao tara eo ka neninao,
F’Izy efa nitahy anao hatramin’izay
Ka tsy tokony ho kivy amin’izay atao,
Ka ndàna dieny izao
f’Izy efa miandry anao
Efa hatry ny ela


Ref: …..


Ka dia misaotra Anao
Noho ny halehiben’ny fitiavaNao,
Fa raha tsy teo Ianao tsy toy izao izahay
Fa nentiNao tany am-paradisa, fiainana mandrakizay


Ref : ……
Tonga soa teo amin’ny vavahadin’ny lanitra aho
Tsy nanenenako ‘reo fanompoana Anao
Fa nitondra zava-tsoa teo amin’ny fiainako ry Ray Tsitoha, ireo.


·