Noely fitiavana

GAFLI

Noely fitiavana




  1. Teraka ny Mamonjy
    Nanaiky ho tonga ety
    Tsy lapasoa fa tranon’omby
    Io no nadraisana Azy
    Faly sy ravo mihira amin’ny fo
    Ny anjely maro tokoa
    Nahoana moa izaho sy ianao
    No tsy hidera an’i Jesoa




  2. Tsy haitraitra ihany
    Na fahazarana
    No entina mankalaza izany
    Fa efa fiainana
    Ankalazaina amin’ny finoana
    Sy amin’ny fitiavana
    Nahoana moa izaho sy ianao
    Raha mifandray tanana




Ref.: NOELY
Mitondra fitiavana
NOELY
Mitondra fiadanana
NOELY - NOELY
Tonga nofo ety ny zanak’Andriamanitra
NOELY
Azy ny fankalazana
NOELY
Hery sy ny fahefana / *fifamelàna
NOELY - NOELY
Hiara-hanandratra Anao ny tany sy ny lanitra



  1. Vahoaka sesehena
    No miara-mifaly
    Satria tonga ho famonjena
    ’lay zanaky ny Ray
    Sitrany raha tiantsika ihany koa
    Ny hampiditra Azy ao am-po
    Nahoana moa izaho sy ianao
    No tsy handray an’i Jesoa


Ref.: NOELY … (x2)


Fin: Avia hitsaoka Azy, ‘zay Tomponao!


·