NOELY FETY SOA
Chorale Fanantenana Ifanadiana (CFI)
NOELY FETY SOA
Teraka ao an-tranon’omby
Ny Mesia ‘lay zazakely
Tonga Izy mba hamonjy
Sy hamory ireo ‘zay very
Noely, noely fety mamy
Noely, noely fety soa
Noely, fa tonga nofo tokoa
I Jesoa ‘lay teny soa
Tonga nofo tokoa ilay teny
Efa voalazan’ny mpaminany
Ao Betilehema ilay zazakely
Koa andao isika ho any
Tonga tany koa ireo majy
Tao antranon’omby kely
Mba hitsaoka sy hidera azy
Fa teraka Jesoa zazakely
A/C: Marius-jm