NOELY FAMONJENA-HIOBY

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

NOELY FAMONJENA-HIOBY



  1. He! Teraka any Betlehema
    Ny Tompon’i Jerosalema
    Ny vilona nandriany
    Mihoby ny anjeliny
    Izy ilay Teny tonga nofo
    Izay nampanantenan’ny Ray
    Hanavotra antsika ety
    Mba tsy ho very


Hosana e! Hosana no asandratray
Dera sy haja no atolotray
Ny voninahitra anie ho Anao
Ho Anao mandrakizay



  1. O! Mihobia fa teraka
    Jesosy Tompo zanaka
    Hitondra fihavanana
    Ka tena hampihavana
    Hande hidera Azy izao
    Asandrato ny feonao
    Fa indro tonga ilay Mesia
    Hamonjy izay nania


·