Noelin'ny fitiavana

Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna

Noelin’ny fitiavana


Noelin’ny fitiavana, noelim-pifaliana
Fa teraka ho anao ilay Mesia
Hamonjy anao no antony
Fa lehibe ny fitiavany
Ry namako andeha hitsaoka Azy
Lanitra soa no nafoiny, ho fitiavany anao
Hiombonanao lova Aminy
Fiainana mandrakizay


Refrain:
Ho noely, noely, noelin’ny fitiavana
Andeha re hankalaza ilay Jesosy zaza
Fiadanana no atolony
Ooo, ho ahy sy ho anao olony


Tanaty sasak’alina no indro fa niposika
Ilay hazavana soa mamiratra
Ny feon’anjely marobe
Mihira sy mihoby hoe
Mesia no teraka ho antsika
Sokagy anio ny fona, mba hidirany
Hidiran’ilay Tomponao
Raiso ny fiainambaovao


Refrain:
Ho noely, noely,…


Noely, noely, noelin’ny fitiavana ×2
Andeha re hankalaza ilay Jesosy zaza
Fiadanana no atolony
Ooo ho ahy sy ho anao olony


·