NOELIM-PAMONJENA

Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha

NOELIM-PAMONJENA


NOELIM-PAMONJENA


Ankalazaina anio,
Ilay andro nahaterahan’I Jesosy
Ilay teny fikasana izay nomen’ny Ray
Teraka ilay Mpamonjinao


Oh ry namako ! aza kivy !
Raha misy mampahory mahazo ety
Jesosy Irery ihany, no Ilay Famonjena
Noelim-pamonjena ho ahy sy ho anao


‘Zao Noely izao ! famonjena ho ahy sy ho anao !
‘Zao Noely izao ! fitiavan’I Jesosy
Koa raiso izao Jesosy Kristy
Noelim-pamonjena antsika ety !


Nanaiky Jesosy nidina tety,
Tonga mba ho ahy sy ho anao
Mpanota saiky very ka efa niery
Noelim-pamonjena ho doria !


A/C : RAKOTONDRAMANANA Noelson


·