Njao mandona
Feon'Kalvary
Njao mandona
Njao mandona efa ela niandrasana anao
Jeso tia tsy mety sasatra mbola injao
He miantso, miangavy izy koa ekeo izy anio
Miandry anao mpanota ô valio
Moa ve tsy hangorakoraka ny fo raha mandre ny feony mitalaho
Moa ho lavinao ny fitarainany tsy mangina fa manantena anao
Ô vohay ny fo, ekeo mba honenany
Ô vohay ampandrosoy lay Mpamonjy tia
Ô vohay ianao ilay tena andrasany
Aza ela fa raiso anio Kristy
Raha nanjombona ny fiainanao hatrizay
Ny fonao vesaran-keloka kivy koa
Toa mahantra mandatsa koa reo tsy nety natao
Matokia fa Jeso tsy mandao
Noho ianao ilay tanam-bokovoko
Nozakainy ho fanavotana
Ô omeo ary ny fonao hitoerany fa hanjaka ao ny fiadanana
Ô vohay ny fo, ekeo mba honenany
Ô vohay ampandrosoy lay Mpamonjy tia
Ô vohay ianao ilay tena andrasany
Aza ela fa raiso anio Kristy