NITSANGANA TAMIN'NY MATY
Vetson'ikopa antoko mpihira
NITSANGANA TAMIN’NY MATY
nitsangana tamin’ny maty aho,
ka miaraka aminao indray aleloia!
nomba ahy ny tananao, aleloia!
mahatalanjona loatra ny fahendrenao.
aleloia, aleloia!
Tompo ô, mandinika ahy ianao
ka mahafantatra.
Fantatrao aho
na mipetraka ,na mitsangana
mbola lavitra dia tsinjonao ny hevitro.
voadinikao aho,
na mamindra na miato.
ny làlako tsy misy manavao anao
ny teny tsy mbola eny amin’ny lelako
dia indro ry Tompo
efa fantatrao tontolo.