Nitempo anao

'Zay

Nitempo anao


Eny tsy maintsy handeha ianao androany
Handeha hamonjy ny akany
Fohy ilay fotoana nahalalako anao
Fa tena mamy sy tsy hay hoadinoina
Eny, ianao moa tsy natao ho honina eto
Izaho koa tsy afaka ny ho any
Saingy, ankiniko amin-dRay ny momba antsika
Indray andro any, rehefa anjara, hihaona ihany
Sento miharo tsiky kely indro miakatra
Tsy mahafoy ny anilanao, tsy te hisaraka


Refrain:
Ka raha tsy hihaona intsony ary ny lalantsika roa
Raha tsy ho anjarako intsony ny hahita anao
Ataoko ampy ahy ireo fotoana mamy
Niainako teo aminao


Eny, efa hitanao moa ny misy ahy
Ka raha toa indray andro any,
Misy, ny faniriana te-hiverina
Miandry anao ilay fitia notairinao
Sento miharo tsiky kely indro miakatra
Tsy mahafoy ny anilanao, tsy te hisaraka


Ref.

Ka raha tsy hihaona intsony ary ny lalantsika roa
Raha tsy ho anjarako intsony ny
hahita anao
Ataoko ampy ahy ireo fotoana mamy
Niainako teo aminao


Interlude


Refrain:
Ka raha tsy hihaona intsony ary ny lalantsika roa
Raha tsy ho anjarako intsony ny hahita anao
Ataoko ampy ahy ireo fotoana mamy
Niainako teo aminao
Fohy fa tao anaty tao
Ilay fo nitempo anao


·