Niserana

Rak Roots

Niserana


Lasa ianao
Nanantena aho
Nefa ianao
Tsy niverina
Raha azo atao
Dia averiko Ireo lasa


Tsy hifanerena
Tsy afaka hikiakiaka Mafy hoe miverena
Fa Misy anjara
Miandry ahy koa any


Ka mahaleova mahalasana
Faly nahafantatra anao aho
Tsy hanisy alahelo aho
Mirary soa e


Niserana ianao
Nandalo za
Efa nahatazana ny ho aviko anilanao
Kanjo….


Na malahelo aza aho Tsy afaka hanidina
Hikopak’elatra ho any aminao iny
Ny azoko atao angamba Dia mamisavisa
Ny andro lasa sy Ireo izay voatanisa


Akory atao,
Fa lasa ianao
Nihazakazaka nanenjika Fa Dia izao
Nanalavitra ianao any
Dia Izaho aty
Veloma Sisa no azoko atao ho an-dry


Niserana ianao
Nandalo za
Efa nahatazana ny ho aviko anilanao
Kanjo…


Ka mahaleova mahalasana
Faly nahafantatra anao aho e
Mirary soa e


·