Niserana

MAGMA

Niserana


Nandalo niserana fotsiny ianao
Nanimba ny fiainako
Nitondra kiky sy ratra vaovao
Mahakely aina mankarary ny fo


Reko mitempo anatiko ao
Te hiantso mafy ny anaranao
Nefa izaho toa tsy sahy sao lavinao
Nefa izaho toa tsy sahy sao lavinao


Ref: Na izaho na ianao
Dia samy tsy niherika
Fa manam-pitiavana
Ny hoe hiaraka


   Na izaho na ianao
Dia samy tsy niherika
Fa manam-pitiavana
Ny hiaraka

Ka ny fiainako hatramin’izao
Dia potika sy ravanao
Ka miangavy aho,mitalaho
Miverena


Fa ilay fitia
Mangina raha tsy eo ianao
Irery aho,aza ilaozana
Irery aho aza ilaozanao


·