Nisava ihany izao ny raho-mitatao

Andrianary Ratianarivo

Nisava ihany izao ny raho-mitatao


Nisava ihany izao ny raho-mitatao
Ny lanitra efa manga, fa tena soa fitranga
Ity diavolam-pararano: madio manganohano


Ny aizina hisava; fa tonga ny mazava
Ny alina handao; fa menatra sy lao
Ny fifaliana ihany no sisa tsy ho lany


Ny sento izao mitony, tsy ho fantatra intsony
Ny alahelo foana, tsy hisy ho tsaroana
Hanjary paradisa ny fiainantsika sisa.


Feony sy tonony: Andrianary Ratianarivo


·