Niraraka teto ny vonimboasary

Justin RAJORO

Niraraka teto ny vonimboasary


Niraraka teto ny vonim-boasary
Nihintsana koa vonin-dramiary ô
Fa lasan’ny lolo, ny renin-tantely
Takola-panenitra ô, ity no mamely


Izany no tsy tantiko raha eto an-tany
Ny ditran’ny foko nandraisako kiho ô
Mangidy mihitsy ny tahaka izany
Ka neniko mafy ô manomboka anio


Ny foko mitsetra sy vonton’ny sento
Porofo mazava ny toetra ny eto ô
Mamitaka mafy ka mahasodoka
Anio be mazava ampitso misoka


Ataoko veloma ny ditra mandoza
Nanaikitra mafy tahaka ny foza
Samia mba nendry samia mba misaina
Raha mbola tsy maty ô hendre sombinaina


·