Niaritra ny mafy

AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe)

Niaritra ny mafy


1-Niaritra ny mafy Ianao Jesô!
Novonoina nohon’ny amiko
Ny ainay no namoizanao ny ainao Jesosy ô!
Niaretanao gne fijalia, nohon’ny amiko


Da olo be fitiavana Ianao Jesosy Tompo ô!
Fa tsisy olo hahavite vitanao
Da nofatsia gne tagnanao, tamigne hazo fijalia
Niaretanao ireo satria tia ahy Ianao


2-Isaoranay Ianao Jesosy ô!
Lehibe tokoa ny fitiavanao
Ny ranao zay nalatsakao hanananay fiainana
Fiainana maharitra ao Aminao


Da olo be fitiavana Ianao Jesosy Tompo ô!
Fa tsisy olo hahavite vitanao
Da nofatsia gne tagnanao, tamigne hazo fijalia
Niaretanao ireo satria tia ahy Ianao


·