Neny

Faniry Raelison

Neny


I Neny masoandro lalaina
Nandrotsy ireo sombiniaina
Nadritry ny volana folo
I Neny no nanolokolo


Tsy nitaraina anohanana
Niaritra ireo havizanana
Nisotro ny rano tsy tiana
Niaritra ireo fahoriana
Nitrotro nibaby nitaiza
Nitondra hatraiza hatraiza


Ra mitomany dia i Neny
No mandrotsirotsy ahy hatrany
Ho setrin’ny valimbabeny
Hajaiko ireo teny nomeny
Ireo hafatra apetrany kosa
Toaviko ataoko tontosa


·