Neniko ny lasa

NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)

Neniko ny lasa


Solo:
[Dia tena mampahory anao ry Tompo
Ny toetra ratsiko mpanompo
Mibebaka aho, mifona aho Raiko Tia
Mandohalika aho eto anatrehanao
Miangavy aho re mba avelao
Mitalaho aho, miangavy aho, f’hiverina Aminao] x2


Fa mpanota aho ka tsy mba mendrika Anao
Manenina izao
Fantatro fa ratsy dia niniako natao
Manenina izao
Fa raha izaho Jesoa dia tsy mba hiala Aminao
Mivoady aho izao
Raiso anie Jesoa raha toa ka mba sitrakao
F’hiverina Aminao


Duo:
Endrey ity fitiavanao ry Tompo
Ny nanavotanao ahy mpanompo
Misaotra Anao, mitsaoka Anao Raiko Tia
Mivoady aho eto anatrehanao
Mivoady aho tsy hiala Aminao
Hanompo Anao hatrany aho
Tompo ô fa tsara Ianao


Choeur:
Endrey ity fitiavanao ry Tompo (Fitiavanao ry Tompo)
Ny nanavotanao ahy mpanompo (Ou ou ou ou)
Misaotra Anao, mitsaoka Anao Raiko Tia
Mivoady aho eto anatrehanao (Mivoady aho eto anatrehanao)
Mivoady aho tsy hiala Aminao (Tsy hiala Aminao)
Hanompo Anao hatrany aho
Tompo ô fa tsara Ianao


Fa mpanota aho ka tsy mba mendrika Anao
Manenina izao
Fantatro fa ratsy dia niniako natao
Manenina izao
Fa raha izaho Jesoa dia tsy mba hiala Aminao
Mivoady aho izao
Raiso anie Jesoa raha toa ka mba sitrakao
F’hiverina Aminao


Musique


Manenina izao, manenina izao
Mivoady Aminao, F’hiverina Aminao


Fa mpanota aho ka tsy mba mendrika Anao
Manenina izao
Fantatro fa ratsy dia niniako natao
Manenina izao
Fa raha izaho Jesoa dia tsy mba hiala Aminao
Mivoady aho izao
Raiso anie Jesoa raha toa ka mba sitrakao
F’hiverina Aminao
(Raiso aho, raiso aho)


Raiso anie Jesoa raha toa ka mba sitrakao
F’hiverina Aminao (Tompo)


Raiso anie Jesoa izao fivavako izao
Tompo ô FA TSARA IANAO


·