NDRETO 'ZAHAY

RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY

NDRETO ‘ZAHAY



  1. Ndreto izahay Vetson’ny Fanantenana
    Mijoro eto, mitory, manambara
    K’andeha vontosy ny Filazantsara
    Ny firenena MADAGASIKARA


REF: (*2)
Tsy hisy intsony ny toaka sy rongony
Ny habibiana sy ny haratsiana
Ny filibana anaty hajambana
Fa mibaliaka ny hazavana



  1. Ka manantena fa hiova ny tantara
    Fiaraha-monina ho tsara fiafara
    Satria Jehovah ’lay Tompo Ray Tsitoha
    Mpanao ny tsara ka manome ny soa


REF: (*2)
Tsy hisy intsony ny toaka sy rongony
Ny habibiana sy ny haratsiana
Ny filibana anaty hajambana
Fa mibaliaka ny hazavana


SVM-FJKM Kristy Fiainana Bemasoandro Itaosy
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·