Ndeha

GALAF

Ndeha


-Ndeha mahereza torio ny teny soa
F’izany no baiko nomeny Jesosy ho antsika
Ndeha ambarao eram-bazan-tany koa
Ny famindram-pony sy ny fitiavany antsika


-  Vonjeo reo mahantra sy mahonena eh eh!


Torio azy ireo ny famonjena eh eh!
Ny fiainana an-tany hiaraha-mahita
Manjaka tokoa ireo mahitahita
Ireo zay madinika hodian-tsy hita
Fa ny ambony ihany dia samy vita.


"   Tandremo! Tandremonao izao

Fa ianao izao anie no fanasin'ny tany"

-Ndeha mitsangana ndeha ary mahereza eh!
Hamonjy sy hanafaka’reo ondry izay naniasia
Ndeha avereno ao am-balan’ny Ray eh!
Reo ondry nania sondriana variana foana ety.


   - Hampaherezo ireo trotraky ny ady eh!


Ambarao azy ny ampinga tena kiady eh!
Ka aoka ianao mba ho mendrika
Ny voninahitr’ Andriamanitra
Sao indray ianao no andraraka
Ilay ilo-mby dohan’ny Tompontsika.


·