'Ndao re namako ô

Nahovafi Ambatonjara

‘Ndao re namako ô


O o o o o! ‘Ndao re namako ô


Ho anao ‘zay itambesaran’olana
Ho anao tsy mino intsony fa
Mbola hisy ny mangirana
Eo amin’ny fiainanao


Mitsangana ianao dia mitraka
Antsoy ’lay Andriamanitra
F’izay matoky Azy tsy manahy
Tsy mba matahotra


Fiv : Eto amin’izao tontolo izao
Efa nambaran’i Jesosy fa
Hahitanao fahoriana, fijaliana
Anefa re, aza manahy ianao
‘Ndao re, ’ndao raha sitrakao
Batao eo aminy ireo olanao
Vohay midanadana ny fonao
Hanjakany ao, hanova ny fiainanao
Kristy fiainana, no tianay ho raisinao
‘Ndao re namako ô


Tsy misy anara-mahavonjy
Ety ambony tany
Ankoatry ny an’ilay Jesosy
‘Lay Zanak’i ny Ray


Izay mino ny anarany
Ka tena mivavaka
Tsy mandeha irery fa arovany
Ataony miavaka


Fiv : Eto amin’izao tontolo izao….


·