'Ndao hihira
Bessa
‘Ndao hihira
Ho anao sahiran-tsaina,
Sendra zava-tsarotra;
Aza de miferin’aina,
Ndrao vao maika dia mianotra.
Manefe saina mijoro,
Mafy matanjaka;
Ka reseo ny horohoro,
Dia meteza mba hitraka.
Ndao hihira(2)
Hira tsotra no hiraina
Ndao hihira (2)
Hiran’ny fitiavana
Ny fifaliana mazàna,
Tselatra fifarana;
Ka raha tianao ny hitàna,
Ao am-po ny hazavana
Angalao mpanolokolo,
Ny finoana marina;
Fa izay rava eo mbola hisolo,
Andro hafa hifaliana.
Mbola ao koa ny mahory,
Ikitrohan’aizina;
Tsy dia vaovao io akory,
Fa iombonan’ny miaina.
Saingy izay mangirifiry,
Tratrin’ny famoizana;
No mba irario mba hikiry,
Tsy ho kivy, f’hanantena.