'NDAO HIDERA

Chorale Fanantenana Ifanadiana (CFI)

‘NDAO HIDERA


‘Ndao hidera ny Tompo Jesoa
Fa nandresy tokoa Izy
‘Ndao hitsaoka azy koa fa
Mandrakizay ny fitiavany


Ka hobio sy derao
Ilay nandresy izao tontolo izao
Omeo azy ny dera sy haja ary
Voninahitra mandrakizay


Mifalia, mifalia
Fa nandresy tokoa Jesoa
Miravoa, miravoa fa
Resiny ny fahafatesana
Mihobia, mihobia
Fa resiny ny fasana
Nitsangana ho velona
Mba hamonjy ahy sy anao


‘Ndao toriana amin’ny olon-drehetra
Ny hatsaram-pon’ilay Tsitoha
Nanolo-tena ho faty i Jesoa mba
Hisolo vaika ny otantsika


Mijoroa hatrany hatrany
Hitory eran’ny vazantany
Fa nofantsihana ho faty Jesoa ka
Velona indray afaka hateloana


A/C : Marius-jm


·