'Ndao hiara-dia
APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana
‘Ndao hiara-dia
Andao isika hiaradia e !
Ho ao antranon-dRay isika e !
Hiaraka hankalaza koa
Hankalaza ny fitiavany
Isika ratsam-batana e !
‘Ndao hifanohatohana
An-tranobe hiombonana
Fa olo raika antsika e !
Haka mamy fiombonana e !
Ho tia fiaraha-monina
Hiara-dia, hifankatia
Miandrandra, fanasana e !
Fiv :
Avia, mitsangana andao hiaraka
F’antsoiny koa ianao, k’aza matahotra
Na iza ianao, na igno toerana misy anao
Tiany ka nofidiany e !