'Ndao hiantsa ny Tompo

Antokom-pihira Vetson'i Siona

‘Ndao hiantsa ny Tompo


Ref: Eh, ’ndao hiantsa ny Tompo
Avia, hiarak’hidera
Eh, ’ndao hiarak’hioby
Avia, Malakilakia


I. Ô ry manan’aina manantöna
Tsy misalasala avia mandrosoa
Fa zava-dehibe loatra mantsy ho antsika
Ny famindram-pony sy fitiavany
Ô, samia mifalye, Ô, samia miravo


II. Ataovy feo manga dia manga tokoa
No entinao miantsa an’ilay Tomponao
Ny zava-maneno arahin-damako
Rodony hanako eran’ny vazan-tany
Ô, samia mifalye, Ô, samia miravo


III. Fihetsika kanto mirindra sy soa
Arahana dihy milanto mora
Izany no soa sy kanto indrindra
Fa tsara loatra endrey ny Tompontsika
Ô, samia mifalye, Ô, samia miravo


© Vetson’i Siona


·