NATOKAKO

Zo Ryan

NATOKAKO


Hasambarana ho ahy ny manana an-dry
Isaorako ilay Ray Tsitoha
Izaho nomeny anao feno fitia
Sy feno hafaliana ny Fo
Ireo fitiavana omenao ahy
Mambabo fo ary koa Fanahy
Ka tapa-kevitra aho fa tsy hiandry
Haka anao ho Andefimandry


Refrain :
Atolotro ho anao ny foko
Raiso hanjakao
Omeko anao ny fitiavako
F’efa NATOKAKO ho anao
Atolotro hoanao ny foko
Raiso hanjakao
Atolotro ho anao
Omeko anao
Raiso hanjakao
F’efa NATOKAKO ho anao


Hasambarana ho ahy ny manana an-dry
Isaorako ilay Ray Tsitoha
NATOKAKO ho anao irery ilay fitia
Ilay tena avy am-po
Fa n’inona n’inona fotoana
Ianao tsy niala fa teo foana
Natamin’ny mora izany na ny mafy
Niaraka tamiko nihafy


Refrain :
Atolotro ho anao ny foko…….


Bridge:
Ka hodoria izay no faniriana
Isika hiaraka hanao dina
Izaho hoanao ,Ianao hoahy
Mandrakizay


Refrain :
Atolotro ho anao ny foko…….


auteur / Compositeur / arrangeur : ZO RYAN


·