Nataonao aiza

Groupe NAINA

Nataonao aiza


Efa nomena talenta ianao
Efa nomena maimaim-poana isik’izao
Nisy ny dimy, ao ny roa sy ny iray
Nomena anao, arak’izay fahaizanao


Nalevinao ve reo talenta efa azonao
‘Zay kely anananao mbola esorina aminao
Raha nampiasaina nampitomboina izy ireny
Faly ny Tompo mankasitraka anao


Nataonao aiza e ny talenta nomeny anao
Mba nampiasaina ve, nampitomboina ve
Sa nalevinao tsotra izao
Moa ve mba fantatrao fa ho avy Izy
Hanadina ny asanao
Hampilaza ireo talenta nomeny anao


Ry mpanompo tsara sady mahatoky
Nahatoky tamin’ny kely ianao
Ho tendreko ho mpanapaka ny be
Ka midira e, midira amin’ny
Fifalian’ny Tomponao


·