Natao aia ny Batemy

Chorale Taratr'i Maria

Natao aia ny Batemy


Zanaka malala ny Ray isika noho ny batemy
Nantsoiny ho mpaminany
Hitory vaovao mahafaly
Hitory vaovao mahafaly


Misy reo tsy te hahalala
Lasa ka nandao ny Fiangonana Reny niteraka
Nanjary zanaka adala, zanaka adala
Natao aia ny Batemy? ‘Zay noraisinao
No nanao tsipa-doha ny laka nitana
Tsy nandray intsony ny anatry ny Ray


Zanaka malala ny Ray isika noho ny batemy
Nataony ho mpisorona
Hanolotra sorona
Hanolotra sorona


Zanaka malala ny Ray isika noho ny batemy
Nasandrany ho mpanjaka
Handray ireo adidy masina
Handray ireo adidy masina


Ndao e,Ndao nareo e!
Fotoana ifohazan’izao e
Hamaly babena ny Reny niboahana
nanao soa anareo zay tsy mahafoy


Ny Fanahin’ny Tompo e!
Manentana anareo e!
Hiverina an-tranon-dRay
Handray ireo hasina nanandratan’ anareo
Ho zanaka malala


Vonona hijoro vavolombelona
Vonona hijoro, mba ho fanasina
Handray ireo adidy, adidy masina
Hanitatra ny fanjakan’ANDRIAMANITRA


·