Nanosotra ahy

None

Nanosotra ahy


Ref
Nanosotra ahy hitory teny soa
Amin’ ny malahelo Ianao Jesoa
Andeha tsisy ahiahy
Tarihin’ ny Fanahy
Manerana ny tany hatrany am-parany any


Izay taona maro izay nomenao ry Ray
Nidera Anao tokoa nitory teny soa
Nampiasaina avokoa natao tamin’ ny fo
Talenta avy Aminao mitohy hatramizao
Tsapanay tokoa ny fitahianao
Amizay rehetra atao eo Ianao
Nosedraina daholo ny tany sy ny tontolo
Nahitana soa ny ratsy ihany koa


Ref


Hira no atao fisaorana Anao
Nitahy sy nanome ity andro lehibe
Matoky Anao hatrany tsy hisy fiafarany
Ny andronay rehetra ho Anao tsy misy fetra
Fanahy Masina hitari-dalana
Hahatafita tsara izay tianao ambara
Ny sandrinao hiaro ho an ’ny taona maro
Hahatontosa ny adidy miavosa


·