Nanjary raiki-pitia

Benja RALIBERA

Nanjary raiki-pitia


Misy fihetsem-po iray tsy haiko ho lazaina
Nokoboniko ho ahy, mitady lalana hivoaka nefa aaa,
Tsy mora ny mamoaka azy.
Tsy tandritandriko akory f’ilay fijerinao
Sy ny fitsikinao dia najary toa sahy
Tsy afaka ao an-tsaiko fa aaa,
Mieloelo ao foana


Fiverenana :

Hay ve ianao koa mba toa ahy,
Nanjary raiki-pitia
K’andeha hatambatra ho iray
Ilay fihetsem-po hiraisantsika
Dia ny fitiavana.


Rehefa mifanena isika, dobodoboka ny fo,
Mientanentana tsy nahy toa vaobahotra
Te-hiresaka,
Isika anefa samy miondrika tsy mahajery
Rehefa samy lavidavitra vao sahy miherika
Mifampitsiky kely


Fiverenana :


·