NANDRESY

Chorale Fanantenana Ifanadiana (CFI)

NANDRESY


Naka nofo tamin’i Masina Maria
Zanak’Ilay nahary izao tontolo izao
Tonga ho famonjena antsika e
Ho fanavotana ahy sy ho anao


Izy ilay Mesia Mpanjakan’ny mpanjaka
Lehilahy mahery tompon’ny fahagagana
Nampianatra ary koa nitory
Ny Vaovao Mahafaly eran’ny vazan-tany


Novonoina anefa Izy
Nohon’ny fankahalana
Nohon’ny lainga, ny fitiavan-tena
Nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana
Maty i Jesoa ary nalevina


Nefa nandresy ny fahafatesana,
Nandresy e!
Nandresy ny fasana

Ka nitsangan-ko velona


Zovy moa tsy hanaraka ny Teniny
Moa ve ka tsy marina izay voalazany
Fa voasoratra ho Sorona ny Tenany
Hanavotana antsika zandriny


Zovy moa tsy hahala ny Anarany
Moa ve ka tsy marina izay voalazany
Zanak’Andriamanitra no anarany
Fianan’izao tontolo izao am-pelatanany


A/C: Doux-Ciel


·