Namanay

RyKala Vazo

Namanay


Mitchou! Namanay e
Mitchou! tsy foinay e
Mitchou! saingy lasa indry nandao
Namela anay toy izao
Manina tsy mijanona
Valalanina, fanimpanina


Izay rehetra atao akia anembonana an-dry
Na kabosy na valiha mangina ts’isy an-dry
Mifamahofaho an-dohanay ao ireo vina sesilany
Ny hiara-hanandratra hikolo hatrany ilay mozikantsika


Saingy lasa indry, eny akia!
Soava tsarà akia ny dia
Lasa indry, eny akia
‘zahay hanohy ny ety


Mitchou! Namanay e
Mitchou! tsy foinay e
Mitchou! saingy lasa indry nandao
Namela anay toa izao
Manina tsy mijanona
Valalanina, fanimpanina


Ireo adiady sy hanihany akia sy ireo tsikitsiky
Nangaina indray mimpy, nidify indry dia tsy hita
Miandry eo foana ny toerandry na any am-paradisa
Fa any andro iray, mbola hifankahita indray


Saingy lasa indry Eny akia!
Soava tsarà akia ny dia
Lasa indry, eny akia
‘zahay hanohy ny ety


Tonony sy feony : Vanintsoa


·