Namako Tiako
Ny Midera
Namako Tiako
Réf: Namako tiako ianao
Tiako hatramin’ny farany
Ilay finamanantsika hatrizay
De fitiavana avy @ Ray
Ka na ho aiza ianao
Na ho eto anilako eto
Mpinamana foana isika, mpifankatia
1- Ilay finamanantsika toa zary latsa-paka
Nifampizara hafaliana
Nifampizara ny mamy
Naira-nandresy ireo hakiviana
Toa nifanohana hatrany
Namako ianao, namako ô
2- Ilay finamanantsika latsa-paka ao am-po
Nifanolotra fitia
Nifanome teny mamy
Mpinamana mpifankatia
Feno Tsy nifankafoy, tsy nifanary Namako tiako ianao, namako ô
Réf: Namako tiako ianao……
Tena tiako loatra ianao
Ho namako mandrakizay
Hiara-dalana isika ho doria
Ambany tanan’ilay Tompo tia
Na ho aiza ianao
Na ho eto anilako eto
Mpinamana foana isika, mpifankatia!
Ny midera 2020