Nalainao avy lavitra loatra

Rija Rasolondraibe

Nalainao avy lavitra loatra


NalaiNao avy lavitra loatra ve dia tsy ho tiaNao
NalaiNao avy lavitra loatra fa fanahiniaNao
Ny dian-tokiNao no iainako
Porofon’ny fianako
Fa nalaiNao avy lavitra loatra aho tsy ho ariNao


Ilay olona novonjeNao mitsaoka Anao
Ilay olona nanaovaNao izay nolazaiNao
Fa tsy izay nolazain’ny olona e
Tsy hanan-kery ho anay izao sy izao e
F’izay lazain’ny teniNao e
Izay aho e; izay aho e


Ilay olona nositraniNao mitsaoka Anao
Ilay olona nanaovaNaO izay nolazaiNao
Fa tsy izay nolazain’ny olona e
Tsy hanan-kery ho anay izao sy izao e
F’izay lazain’ny teniNao e
Izay aho e; izay aho e


Nalainao avy lavitra loatra fa nofidiNao
Nalainao avy lavitra loatra tena nijaliNao
Ny dian-tokiNao no iainako
Porofon’ny fianako
Fa nalaiNao avy lavitra loatra hoy aho ho ampiasaiNao


Ilay olona notahiaNao mitsaoka Anao
Ilay olona nanaovaNao izay nolazaiNao
Fa tsy izay nolazain’ny olona e
Tsy hanan-kery ho anay izao sy izao e
F’izay lazain’ny teniNao e
Izay aho e; izay aho e


Ilay olona narovaNao mitsaoka Anao
Ilay olona nanaovaNao izay nolazaiNao
Fa tsy izay nolazain’ny olona e
Tsy hanan-kery ho anay izao sy izao e
F’izay lazain’ny teniNao e
Izay aho e; izay aho e


Ref x2
Izaho Jesosy oh mitsaoka Anao e
Andriamanitra tsy misy fiovana e
Tsy mandiso fanantenana e
Jesosy o, izay nolazainao no nataoNao
Andriamanitra tsy manary anay e
Izay Ianao izay e; Izay Ianao izay e


Ilay olona nokasiaNao mitsaoka Anao
Ilay olona nanaovaNao izay nolazaiNao
Fa tsy izay nolazain’ny olona e
Tsy hanan-kery ho anay izao sy izao e
F’izay lazain’ny teniNao e
Izay aho e; izay aho e


·