N'aiza misy ahy

Black Nadia

N’aiza misy ahy


N’aiza misy ahy hotsaroako foana ianao
Ny elanelan-tany tsy hanova ny fitiavako
Amin’ny alina mangina ianao no ao an-tratrako ao
Harenako ianao, tsy atakaloko
Satria lamba irakofako


Ireo dina izay natao
No hajaiko noho ianao
Ianao no ilay nofinidy
Na amy mamy na mangidy
‘Reo rendrarendra eto an-tany
Dia nafoiko noho ianao
Raha sendra aho ka tomany
Ianao no anilako ao


(A/C Rolland Raelison)


·