Nahoana ny lasa ?
Gabhy
Nahoana ny lasa ?
Nahoana ny lasa ?
Nahoana ny lasa natao tsy hifody?
No mitamberimberina sy mitampody.
Miverina etoana sa potin’ny tsiahy ?
Ka tonga anoloana manaitra fanahy.
Nahoana ny lasa no tonga ato an-tsaina?
Ka mamohafoha toy ny andro maraina.
Nahoana ireo lasa no dia mitambolona?
Ka mbola ahatsiarovako an’ilay zanak’olona.
Hay ato an-tsaina raha toa mbola miaina;
Misy sary mivela narafitry ny ela.
Izao vao voadiniko fa ny fahatsiarovana,
No mba hany tahiriko ety am-pandalovana.
T/F: Raymond Rabezanahary