Nahoana ?

AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina)

Nahoana ?



  1. NY Andriamanitrao no mahery indrindra,
    Izay namorona sady nandrindra
    Ny fiainan’olombelona rehetra,
    Andriamanitra tsy misy fetra
    Ranomasina lalina irony
    Sy ny voromanidina ambony
    Asany ireny rehetra ireny,
    Lalina ny fahendreny


Ref:
Oay o! nahoana moa ianao no manahy?
Fa ny vorona izay tsy mamafy,
Izy no mamelona azy
Oay o! nahoana moa ianao no mitomany?
Fa katsaho ny fahamarinany sy ny fanjakany



  1. Andriamanitra mampisy ny aina,
    Sy Mpamonjy izay mitaraina
    Manondraka ny tany karankaina, Andriamanitra azo antenaina
    Fa ianao no ilainy hatoky Azy
    Tena hino fa tsy hivazivazy
    Fiainanao rehetra atolory,
    Tiany ianao tsy mba foiny


Ref..


               AFA Choir Juillet 2022

·