Nahatsiaro anao
Lolo sy ny tariny
Nahatsiaro anao
Ny masoandro nanazava iny aza
Tsaroako nangatsiatsiaka
Nangina ny tanànantsika
Nahatsiaro anao aho tamin’izay
Na ny vorona nandalo iny aza
Nikopaka tsimoramora
Naraina loatra izany ora
Nahatsiaro anao aho tamin’izay
REF(2fois):
Mbola lavi-dàlana aho
Hamakivaky ny ala (takotakon’ny havoana)2
Hamangy ny any Ankaratra aho
Fa mbola hihoty zavatra aho
Tsy menomenona