Na tsy ho hitako

Do Rajohnson

Na tsy ho hitako


Efa niezaka ny handamina saina
Ny ato am-poko anefa toa mitaraina
Misy alahelo feno ratra tokoa
Injao mitamberina ireo tsiarontsika roa


Hany hery sisa azo natao
Manao izay fomba tsy hitodihana aminao
Famihelohelo foana anatiko ao
Ilay fo misento toa malaina hifandao


Aiza ianao?
Aiza ianao?
Vonton-dranomason’alahelo aho


Na tsy ho hitako intsony aza ianao
Miboiboika lalina ao anatiko ao
Ilay fitia tsy mety ho lo, tsy mety ho lao
Fa ho anao irery no hikaloiko
Toa tsy foiko ary tsy hosoloiko
Fa tena tia, mandrakizay ho doria.


Nisy ireo ady vava ratsy nafafy
Eny, raha mba fantatrao io tokoa mantsy
F’ilay fitia samy latsaka anaty
No zary afo mandoro tsy tanty


Lasa ianao,
lasa ianao
Vonton-dranomason’alahelo aho


Na tsy ho hitako intsony aza ianao
Miboiboika lalina ao anatiko ao
Ilay fitia tsy mety ho lo, tsy mety ho lao
Fa ho anao irery no hikaloiko
Toa tsy foiko ary tsy hosoloiko
Fa tena tia, mandrakizay ho doria.


Na tsy ho hitako intsony aza ianao
Miboiboika lalina ao anatiko ao
Ilay fitia tsy mety ho lo, tsy mety ho lao
Fa ho anao irery no hikaloiko
Toa tsy foiko ary tsy hosoloiko
Fa tena tia, mandrakizay ho doria.


Ho doria!


·