Na mamely ny tafiotra
Riampeon' Ny Maritiora
Na mamely ny tafiotra
1- Na mamely ny tafiotra
Sy ny alon-drano be,
Mino aho fa ho tafita
Na mahery aza re.
Jeso Tompo no hiaro,
Mitsahara, mitonia.
« Izaho no homba sy hiaro, matokia ! »
Na mamely ny tafiotra
Sy ny alon-drano be,
Mino aho fa ho tafita
Na mahery aza re.
Jeso Tompo no hiaro,
Mitsahara, mitonia.
« Izaho no homba sy hiaro, matokia ! »
Famerenana :
Fa Ny Tompo no miahy ireo olony,
Miahy sy mampahery,
Mitsinjo sy mijery.
Loharanon-tsoa tokoa,
Harena tsy ho lò,
Famonjena andry sy tokin’ny fo,
N’inon’inona mitranga sy manjo.
2- Na dia rakotra aizina aza
Izato lalana aleha,
Oram-be mivatravatra,
Fitsapana marobe.
Mino aho fa Ilay Fanahy Masinao
Ry Tompo Tia,
No hanazava sy hitantana ny dia.
Na dia rakotra aizina aza
Izato lalana aleha,
Oram-be mivatravatra,
Fitsapana marobe.
Mino aho fa Ilay Fanahy Masinao
Ry Tompo Tia,
No hanazava sy hitantana ny dia.
Famerenana :
Fa Ny Tompo no miahy ireo olony,
Miahy sy mampahery,
Mitsinjo sy mijery.
Loharanon-tsoa tokoa,
Harena tsy ho lò,
Famonjena andry sy tokin’ny fo,
N’inon’inona mitranga sy manjo.