Mpivahiny

Groupe Hiakan'ny Avo Mpandresy

Mpivahiny


Mpivahiny isika, ka mandalo mbola hody
Ka tsinjovy ny dia, ho any an-danitra sa ho any amin’ny helo
Fa raha izahay misafidy e! dia ny eo an-tratra an’i Ray
Eo mantsy no misy ilay fiainana mandrakizay


Fiv : Kristianina ô! aza variana amin’ny rendrarendra
Fa salobona ireny, misarika anao mba ho very
Fa mandalo ihany izao, ny fiainana sy ny filany e!
Aza kivy aza reraka, mandrosoa re ianao mba hibebaka


Hazakazaka mantsy ny fiainana ety an-tany
Na ny ho any an-danitra na ny makany amin’ny helo
Fa izao re no hafatra tiako lazaina ho hambara aminao
Ka fadio re ny ratsy dia ho voavonjy ianao


Fiv : Kristianina ô! aza variana amin’ny rendrarendra
Fa salobona ireny, misarika anao mba ho very
Fa mandalo ihany izao, ny fiainana sy ny filany e!
Aza kivy aza reraka, mandrosoa re ianao mba hibebaka


Ry olombelona ô! mazotoa ianao mahareta
Amin’ny fivavahana sy fahamasinana hoy ny Tompo
Fa ety an-tany anie no misy ny fahoriana
Fa rehefa an-danitra any, migoka fifaliana


Fiv : Kristianina ô! aza variana amin’ny rendrarendra
Fa salobona ireny, misarika anao mba ho very
Fa mandalo ihany izao, ny fiainana sy ny filany e!
Aza kivy aza reraka, mandrosoa re ianao mba hibebaka


Merci à Dieu
A/C : Radoniaina Angelo


·