Mpivahiny
Mbola Talenta
Mpivahiny
Fandalovana ihany
Tena mihelina tokoa
Ny fiainana eto an-tany
Mpivahiny avokoa
Be reo efa nodimandry
Lasa nialoha làlana
Izy ireo no efa miandry
Any ampitsaharana
Ref :
Mpivahiny isika ety
Tsy misy haharitra ho doria
Isika zay mbola manohy ny dia
Andeha hifamela hifankatia
Lasa ireo sakaiza
Reo havana sy namana
Reo zokibe nitaiza
Dify tsy tazana
Banga teo ny toerany
Izy efa nifindra lay
Reo kanto izay navelany
Hitoetra ao am-po mandrankizay