MPIASA TANY MODY
Ramaroson Wilson
MPIASA TANY MODY
MPIASA TANY MODY
Ny masoandro iva
Injany ny antsiva
Kaloin’ ny fody
Mikopaka hody
Manako any ho any
Famindra malaky
Ny alina tamy
$$
Tsy ho ela intsony
Dia sioka malako
No heno manako
Miritsoka koa
Maika aok’ izany
Ireo mpiasa tany
Hamonjy ny akany
Maika hikorana
Ao an-tanĂ na
Ka haingam-pamindra
Sy mihindrohindro
Ny angandy amin’ izany
An-tsoroka ihany
E! Maika ho tody
Fa mamy ny mody
Tonony : Jean de Dieu Rakotondrabe
Feony : Ramaroson Wilson