Mpiandry tsara

Tanora Masina Itaosy

Mpiandry tsara


Ianao Tompo Andriamanitray no nanambara
Fa hihavaka rahatrizay ny ratsy sy tsara
Ka naniraka anay mba handeha
Hanambara ary koa hampandre
Ireo izay mbola tsy nandray Anao, ry Mpianry tsara
Tao anatin’ny haizina sy fahotana
No nakanao anay mba hampita ilay fahazavana
Koa miangavy Anao izahay anio
Ampianaro, toroy sy ahitsio
Ka jereo amin’ny indrafonao ry Mpiandry tsara


Fiverenana :
Mitalaho (izahay ka avelao)
Izahay zanakao
Omeo ny hery sy fitiavanao
Ka mangataka Anao mba hitantana
Aza avela ho irery izahay
Fa ny devoly tsy mahay afa-tsy ny handavo anay


Maro ireo fahavalo mitady handrava
Sy mikendry hamitaka anay hampizarazara
Nefa mino izahay fa Ianao
Tsy hamela irery amin’izao
Manantena ny fiarovanao ry Mpiandry tsara


Fiverenana : Mitalaho (izahay ka avelao)… (x2)


·