Mpiandry tsara

GAFLI

Mpiandry tsara



  1. Jeso no tena mpiandry tsara
    Izay tia tokoa ny ondriny
    Ka na sarotra sy mafy
    Dia ny ainy no natolony
    Mba hitady ny ondry izay nania
    Tiany hiverina ao am-balany
    Ka Izy hanome fiainana ‘zay be dia be
    Amin’ny Anarany


Ref: F’izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery
Elatra no iakarany tahaka ny voromahery
Hiazakazaka izy nefa tsy sasatra
Andeha izy, andeha saingy tsy ho reraka



  1. Fa Jehovah no mpiandry ahy
    Azoko antoka ny heriny
    Fiadanan-tsaina sy fanahy
    ‘Reo rehetra izay heveriny
    Ka ny ratsy sy ny fandrika
    ‘Zay ataon’ny fahavaloko
    Dia tsy hampiala ahy eo an-tananao
    Ry Tompo aroko


·