MPIANDRY ONDRY
Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
MPIANDRY ONDRY
1- Mpiandry ondry tao an-tsaha tao
No nandre ilay zava-baovao
Indro nisy anjely izay nilaza
F’efa teraka Jesosy zaza
Aleloia sy Hosana
Asandrato ny feo fiderana
Fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra
Fa Mpamonjy re no teraka
Indro teraka ho antsika ao an-tanĂ nan’i Davida
Dia tsy iza fa Kristy Tompo
2- Ary nisy anjely maro be
‘zay niaraka nihira hoe
“Voninahitra ho an’Andriamanitra,
Fiadanana ho an’ny olona
Aleloia sy Hosana
Asandrato ny feo fiderana
Fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra
Fa Mpamonjy re no teraka
Indro teraka ho antsika ao an-tanĂ nan’i Davida
Dia tsy iza fa Kristy Tompo