MPANOTA VERY
Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha
MPANOTA VERY
Ry mpanota very o ! aiza moa ianao izao ?
Te hanjaka amin’ny fiainanao Jesosy !
Ilay Zanaky ny Ray, Ilay nisolo voina anao
Miverena f’ efa miandry Izy
Na dia mena tahaka ny jaky aza
Ny fahotanao dia ho dioviny tokoa
Na dia tsapanao fa be ny ratsy vitanao
Dia miverena fa ny Tompo miandry anao
Te hanavao ny fiainanao Jesosy Zoky Tia
Koa Miverena ianao !