mpanota aho

Chorale Taratr'i Maria

mpanota aho


Mpanota aho Tompo ô tsy mendrika Anao
nefa natsanganao ho Zanakao


Nodiovinao tamy fahotako aho
ho mendrika ho zanakao


Tsy navelany ho resin’ilay ratsy aho
nasandrany hiombona amin-Janany


Tsy mivadika Andriamanitra izay miantso ahy
Hiombona amin’ny fahasoavany
Hanan-karena amin’ny teniny sy ny Fahalalana rehetra O o o


Olombelona aho Tompo o osa sy malemy
Nefa nantsoinao ho irakao


Najoronao tamy fahalemeko aho
Ho mendrika ho irakao


Tsy navelany tamin’ny fahosako aho
F’ankahereziny amin’ny Fanahiny


Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao ahy
Tsy ho foana aho fa eo ny fahasoavany
mampijoro ahy ho iraka Ooo


Tompo ô! Inona re no atolotro anao
Mba hisaorako Anao


Horaisiko ity kalisim-pamonjena
Ary hantsoiko ny anaranao

Tompo ô, hisaorako Ianao
Tompo ô, ny tenako atolotro Anao
Tompo ô, vonona aho ho irakao


·