MPANOTA

D.O.M ROCK

MPANOTA


1- Efa be loatra ny vitany, be loatra ny vitany
Leo izy ka lasa nandao ny akaniny
Tsy nisy nahalala izay tao am-pony
Leo izy ka lasa tsy hiverina intsony


2- Nilaozako ny fiainako teo aloha
Izaho irery ihany no hanafaka ny tenako
Izany no kendreko, izany no tarigetrako
Mivoaha daholo, ka avelao handeha


Refrain :
Aiza re ny hazavana no nosoloin’ny fahotana (2)


3- Nipetraka teto izahay nandinika ny manodidina
Lasa ny mazava, tonga indray ny haizina
Tsiky kely monja no teo amin’ny molony
Nisasa izy dia niakanjo dia lasa nodimandry.


A/C: Dominique RABARAONA (D.O.M Rock)


·