Mpanjakanay Ianao

Tanora Masina Itaosy

Mpanjakanay Ianao


Ny hira fiderana tsara indrindra
Ny fihetsika manaja sy mirindra
No entinay anio ho Anao ry Tompo
Ny fonay ravoravo falifaly
Tsy ahitana soritry ny jaly
Hibanjina indray ny Teny Masinao
Jesosy Oh! MPANJAKANAY IANAO


Fiverenana :
Ka noho izany ny otanay rehetra
Didio mba hiala ts’ hisy hitoetra
F’ ilay Fitiavanao no hanjaka ao
Hitoetra ato anatinay tokoa
Anie Ianao Mpamonjinay Tsitoha
Ka tsy hisaraka mandrakizay


Mpamonjy sy Mpanafaka tokoa
Mpitondra aim-baovao sy Mpampifoha
Fotoana mety izao mba hiantorahana
F’ Ilay Jesosy Tompo dia Mpanjaka
Manongotra ny ota izay mamàka
Ka hobio sy derao ‘Lay Andriamanitro
Jesosy Oh! MPANJAKANAY IANAO


Fiverenana : Ka noho izany ny otanay rehetra


A/C : SDN


·