MPANDRESY IANAO
Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
MPANDRESY IANAO
1/Raha toa ka feno alahelo
Ny fiainanao
Mandalo ady sarotra
Sy fisedrana mahamay
Dia antsoy Jesosy izao
F’izy ilay tsy mba mandao
Na ny mora na ny sarotra
Dia ho Mpandresy ianao
Raha miaraka aminy
Tsy mba ho irery ianao
Ka dia mahatokia
Atrakao ny lohanao
Omeo an’azy ny fonao
Fa izy hanafaka anao
2/Raha toa ianao ka mahatsapa fahoriana
Toa voaeso sy voalatsa
Ary koa aratsiana
Dia izao no tadidio
Jesosy efa niady anao
Koa matoki_a azy izao